The tradition & historical record
2 min read · 2 sourcesMahakasika
Ny fomban-drazana malagasy dia ny fomba amam-panao malagasy nentim-paharazana rehetra izay lovain' ny taranaka nifandimby. Izany dia ny fitsipiky ny fiainana, ny finoana, ny fihetsika amin' ny fombafomba ary ny soatoavina izay mandrindra ny fiainana andavanandro, ara-piarahamonina sy ara-panahin’ ny Malagasy. Ny faritra tsirairay eto Madagasikara dia samy manana ny endrik' ireo fomba ireo, fa misy drafitra mahafaobe iraisan' ny Nosy manontolo. 1
Ny fihavanana
Ny fihavanana no soatoavina foibe. Mahakasika ny firaisankina, ny firindrana misy eo amin’ ny samy olona, ny fifanampiana ary ny fiadanana ara-piarahamonina. Ny fihavanana no talohan' ny vola. Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Ny fandroana no isan-taona fa ny fihavanana kosa isan' andro. Ny fitia mifamaly no maha tsara fihavanana. 1
Ny famadihana
Fomba atao any amin’ ny faritra sasany (indrindra any amn' ny Merina sy ny Betsileo) - izay anosokafana ny fasana hanovana ny lamba ifonosan' ny razana sy hanamafisana ny fifamatorana eo amin' ny velona sy ny maty ny famadihana 1
Ny sorona
Ny fanaovana sorona biby (matetika omby) dia fanao mandritra ny fisehoan-javatra lehibe: fahaterahana, fanambadiana, fanorenana trano, na handroahana ny loza. 1
Ny kabary
Ny kabary dia lahateny nentim-paharazana voarindra, ampiasaina mandritra ny lanonana (fanambadiana, fandevenana, famorana, sns.). Zavakanto mampifangaro fahendrena sy ohabolana ary tononkalo izy io. 1
The text above is adapted from the Wikipedia article “Fomban-drazana malagasy”, available under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 licence. 1
Fomban-drazana is recorded in open cultural data. The structured record cited below does not describe the practice, and this entry has not yet been reviewed by a person familiar with the tradition. 2





